Texte H1

FAMPAHAFANTARANA NY RAVINALA AIRPORTS

Fampahafantarana

Vina mitsinjo ny fampandrosoana ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara

Taorian’ny antso antolo-bidy nataon’ny Fanjakana Malagasy, ny Ravinala Airports dia voafidy hitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa eto Madagasikara.

 

Ravinala Airports no mpitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be ary manana vina ny ho lasa  mpitantana seranam-piaraminidina fitaratra aty amin’ny Ranomasimbe Indianina amin’ny taona 2025.


Ny iraka ataonay dia miompana amin’ny fampivelarana ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa ireo, ny fanavaozana ny trano efa misy, ny fitazonana azy ireo amin’ny fenitry ny aroloza sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanatsarana ny kalitaon’ny serivisy amin’ny seranam-piaramanidina, ny famalliana ny hetahetan’ny mpanjifany rehetra ( fiaramanidina, mpandeha, orinasa, entana,  Aviation Générale) mba hampitomboana ny fahafaham-pony amin’ny fomba maharitra, ary handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarenan’i Madagasikara araka ny paikady fampandrosoana ny zotra an’habakabaka miditra na mivoaka an’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny paikadiny momba ny Andraikitra ara-piarahamonina, manome fiantraikany miabo amin’ny tanàna misy ny seranam-piaramanidina iasany ny Ravinala Airports.

 

Vakio ny politika momba ny Rafi-pitantanana anatin’ny Ravinala Airports 

vague__marron

IREO MANANA PETRA-BOLA ATO AMINAY

logo_groupe_adp
logo_meridiam
patterne_main

IREO SERANAM-PIARAMANIDINA TANTANANAY

Mampifandray an'i Madagasikara amin'ny ivelany

Ravinala Airports dia mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandray anjara rehetra eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fitaterana an’habakabaka dia nifototra indrindra amin’ny zotra an’habakabaka eto Madagasikara 

patterne_tortue

Seranam-piramanidina
iraisam-pirenenan'Antananarivo

Ny seranam-piaramanidina Antananarivo, izay hita ato anatin'ny renivohitra no Seranam-piaramanidina lehibe indrindra manerana ny Nosy. Mampifandray toeram-piantsonana mihoatra ny 9 izy.

Seranam-piaramanidina
iraisam-pirenenan'Nosy Be

Ny seranam-piaramanidina Nosy Be no vahady voalohany hidirana ao amin'io nosy io, izay antsoina ihany koa hoe nosy ranomanitra. Mampisongadina ny lafiny tropikaly amin’ny nosy ny fotodrafitrasa misy ao aminy.
Pattern

IRAKA, VINA, SOATOAVINA

Ny mombamombanay

Ny antom-pisianay

Tena mifamatotra, ny soatoavinay sy ny antom-pisianay no mitarika anay isan’andro hanao ny iraka ankinina aminay sy manampy anay hahatratra ny vina napetrakay

  • Ny soatiavinay no fototry ny antom-pisianay. 

    • FINTSINJOVANA : hita amin'ny alalan'ny fifanajana, fifampihainoana, fankasitrahana ny asa vita ary fanajana ny olona tsirairay na ao anatiny na ivelany.
    • FANIRIANA : orinasa manana faniriana sady mavitrika ary mizotra ho amin'ny fanatsarana mitohy amin'ny alalan'ny fanavaozana. Mitady sy mitaky ny tsara indrindra hatrany izahay, mba ho fampandrosoana ny orinasa sy Madagasikara ny Ravinala Airports.
    • FAHAFAHAM-PO AMIN'NY TOLOTRA OMENA : mikatsaka ny fahafaham-po tsy tapaka ho an'ny mpanjifa anatiny sy ivelany izahay amin'ny alàlan'ny fihainoana azy ireo tsy ankiato, amin'ny alàlan'ny fandraisanay andraikitra sy ny fahaizanay maminavina ny filan'izy ireo ka hahafahanay manome asa misy kalitao mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena.
    • FANDRAISANA ANDRAIKITRA : izahay dia mijery ny tombontsoan'ny mpandray anjara rehetra. Entaninay izy ireo mba hiara-mamorona soatiavina amin’ny fomba mangarahara
    Les valeurs de Ravinala Airports
  • Amin’ny maha mpitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena an' Antananarivo sy Nosy Be anay, mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy lovain-jafy eto Madagasikara ny Ravinala Airports.


    Vinan’ny orinasa ny ho lasa mpitantana seranam-piaramanidina fitaratra eto amin’ny Ranomasimbe Indianina amin’ny taona 2025.

     

    Mikendry ny fahalavorariana amin’ny fampandehanan-draharaha sy ny hahafeno ny fepetra takian’ny mpanjifa rehetra (sidina, mpandeha, varotra, entana, Aviation Générale) mba hampitomboana ny fahafaham-pony amin’ny fomba maharitra ny orinasa Ravinala Airports

    Ravinala Airports - Vision
  • Ny iraka lehibe ho an'ny Ravinala Airports dia ny famatsiam-bola, fanamboarana, fanavaozana, fikojakojana ary fampivoarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan' Antananarivo sy Nosy Be  mba hitondrana anjara biriky amin’ny fampivoarana ny toekaren’i Madagasikara, indrindra fa :

     

    • Ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa amin’ny seranam-piaramanidinan' Antananarivo sy Nosy Be (seranana, lalana andehanan'ny fiaramanidina, toeram-piantsonana , sns) araka ny fenitra iraisam-pirenena tsara indrindra.
    • Ny fanomezana ny tolotra rehetra amin'ny seranam-piaramanidina ankoatry ny asa izay atao hoe «voatokana» (fifehezana ny fifamoivoizana an'habakabaka, fiarovana, fikarakarana ny fijanonana, solika ary SSLIA)
    • Ny famatsiam-bola, famolavolana ary fampiharana ny fandaharana fampiasam-bola
    • Ny fikarakarana, fikojakojana ary fanavaozana ny fananana rehetra
    • Ny fampandrosoana ny fifamoivoizana an'habakabaka sy ny zotra an'habakabaka vaovao miainga amin'ireo seranam-piaramanidina roa ireo.
    Nos missions
patterne_tortue
tanjoka
Ravinala Airports
pattern_feuille_ravinala
patterne_vague
patterne_vague
patterne_vague

RAVINALA AIRPORTS RAHA ATAO ISA

Isa mampiavaka

Fantaro ireo isa mampiavaka anay

Fiantraikany, zava-bita sy fahaiza-manao 

270

mpiaramiasa

amin'ny seranam-piaramanidin'Antananarivo sy Nosy Be

2

seranam-piaramanidina

tantanana eto Madagasikara : Antananarivo sy Nosy Be

+3000

isan'olona

misitraka ny asa atao amin'ny andraikitra ara-piarahamonina

6000

ora fiofanana nomena

ireo mpiaramiasa 270 tamin'ny 2023

13

mari-pankasitrahana

azo tamin'ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena

Tolotra

Ireo tolotra omenay

Karazana tolotra maro sy feno
mba hahafahana mamaly ny filànareo

Tianao ve ny hampivelatra ny asanao eny amin’ny seranam-piaramanidin’Antananarivo na Nosy Be amin’ny alàlan’ny fanofana toerana fanaovana dokambarotra iray, ny famokarana hetsika ara-barotra na ny fanofana toeram-pivarotana? Na ho lasa mpamatsy serivisy/vokatra fotsiny ao amin’ny  Ravinala Airports? Manana ny vahaolana mifanaraka amin’ny filanao zahay. Antsoy izahay raha te hahalala momba ny tolotra manokana ataonay sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-miasa aminay ianao mba hampiroboroboana ny orinasanao. Fantaro ireo fitsipika sy fepetra ankapobeny

ravinala
Faire de la publicité aux aéroports d'Antananarivo et Nosy Be

Anao dokam-barotra amin'ny seranam-piaramanidina

Mikatsaka fanararaotra tokana hampiroboroboana ny marika na ny vokatra ataonao amin'ny mpanjifa samihafa ve ianao? Tsidiho ny toerana natokanay ho amin'izany, izay  ahafahanao maka sehatra miavaka mba hisarihana ny sain'ny mpandeha sy ny mpanaraka azy. Raha mila fanazavana fanampiny, mandefasa mailaka any amin'ny  mpitantana ny toerana fanaovana dokam-barotra AEROPUB amin'ny  aeropubcc1@aeropub.mg

Louer un box aux aéroports internationaux d'Antananarivo et de Nosy Be

Hanofa toerana amin'ny seranam-piaramanidina

Ampitomboy ny fiantraikan'ny varotra ataonao ary ataovy izay hahitana anao misimisy kokoa ao amin'ny iray amin'ireo seranam-piaramanidinay, na eto Antananarivo izany na any Nosy Be, ka manofà toerana dieny izao! Mifandraisa aminay amin'ny alàlan'ny fandefasana mailaka amin'ny contact@ravinala-airports.aero hahitanao ireo ny tolotra manokana anananay sy hampandrosoana ny orinasanao.

Ravinala Airports

Hivadika mpamatsin'ny Ravinala Airports

Te hiara-hiasa amin'ny orinasa miroborobo ve ianao? Mitady fiaraha-miasa stratejika sy fivelarana ara-barotra? Andao hiara-hiasa ka ianao no ho lasa mpamatsy anay. Antsoy ny ekipanay izay miandraikitra an'izany, amin'ny alàlan'ny fandefasana mailaka amin'ny contact@ravinala-airports.aero

Politika RH

Ahoana ny fomba mba hamoronana tontolo avy amin'ny politika manokana RH ato aminay, ahafahana manome lanja ny fahaizanao

Inona avy ny asanay

Fantaro ny karazan'asa mahasarika ato amin'ny Ravinala Airports. Midira ao amin'ireo fanararaotra mahaliana izay ahitana ny andraikitra miompana amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara

Fangatahan'asa azo alefa avy hatrany

Ny talentanao dia afaka hitondra fiovana. Misokatra hatrany amin'ny toe-tsaina tia mamorona izahay. Tonga dia alefaso ny fangatahanao ary tadiavo izay rehetra fanararaotra vaovao ato aminay,

Mampandroso sy mampiasa ny seranam-piaramanidina anananay amin'ny fomba maharitra

Andraikitra ara-piarahamonina

Ny fototry ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonin'ny Ravinala Airports

Ravinala Airports dia miavaka amin'ny fandraisany andraikitra lalina ao anatin'ny andraikitra ara-piarahamonina. Amin'ny alàlan'ny hetsika ho an'ny fampandrosoana lovain-jafy, ny andraikitra ara-piarahamonina no hery manosika mampisy ny fiantraikany tsara sady mifototra amin'ny andry 4

    • Miady amin’ny endrika kolikoly isan-karazany izahay eto amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’Antananarivo sy Nosy Be  amin’ny alalan’ny fampiharana ny etika sy ny fanarahan-dalàna, ary ny fanohanana ny hetsika ataon’ireo sampan-draharahan’ny seranam-piaramanidina araka izay azonay atao.

       

    • Mamorona fiaraha-miasa izahay ho fanentanana amin'ny ady atao hanafoanana ny asa tsy ara-dalàna, anisan'izany ny fanondranana olona an-tsokosoko sy ny fizahantany ara-nofo.

       

    • Mametraka tontolo misy fifampitokisana izahay ka mandray ny fitarainana rehetra mba hisian'ny fanatsarana hatrany, ary mifantoka amin'ny fiarovana ny olona sy ny fananana. 

    Ravinala Airports - RSE
    Pratiques Responsables - Ravinala Airports
    Andry voalohany - Fomba amam-panao tompon'andraikitra

    Izy ireo no fisorohana ny fanaovana kolikoly ataon'ny mpiasa, fanentanana hiady amin'ny asa tsy ara-dalàna, fametrahana fifampitokisana azo antoka.

    • Laharam-pahamehana ny fiahiana ny maha-olona eo amin'ny sehatry ny asa amin’ny alalan’ny fifampiresahana, ny fifandraisana ara-tsosialy ary ny fiarovana ny mpiasa ao anatin'ny tontolo milamina.

       

    • Mampiroborobo ny fampivoarana ny fahaiza-manao izahay amin'ny alàlan'ny fampiofanana isan-karazany mifanaraka amin'ny mety amin'ny mpiasa tsirairay.

       

    • Mandray andraikitra hiady amin'ny fanavakavahana izahay amin'ny alalan'ny fampiharana isan'andro ny politikanay momba ny fanajana ny fahasamihafana, ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny ady amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

    Gouvernance humaine
    Andry faharoa - Fitantanana ny olona

    Mikendry ny hiantohana ny kalitaon'ny fiainana tsara eo amin'ny sehatry ny asa amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ny maha-olona sy ny firindrana ara-tsosialy.

    • Miaro ny kalitaon'ny fiainan'ny mponina manodidina izahay ary manara-maso ny kalitaon'ny rivotra sy ny tabataba, ary koa mitazona fifandraisana mavitrika sy tsy tapaka.

       

    • Ny tanjonay dia ny hirosoana amin'ny asa tsy misy fiatraikany amin'ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ny fanatratrarana ny fahadiovan'ny entona amin'ny taona 2030, ny fiarovana ny zava-boahary ary ny fanatsarana ny fitantanana ny fako.

       

    • Mampihena ny fiantraikan'ny  tetik'asa fampandrosoana ny seranam-piaramanidina, eo amin'ny tontolo iainana izahay amin'ny famerana ny voka-drasty ateraky ny asa ataonay (fahalotoana, fako, kalitaon'ny rivotra, famoahana etona karbonika), ary manonitra izany voka-dratsy izany amin'ny zavamananaina amin'ny alàlan'ny fandaharan'asa fiarovana ny zavamananaina manaraka ny fenitra iraisam-pirenena 

    Ravinala Airports - Environnement
    Andry fahatelo - Fiarovana ny tontolo iainana

    Amin'ny alàlan'ny fifantohana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana  dia manaja ny kalitaon'ny fiainana, ny mponina manodidina izahay, mba hahatongavana amin'ny hoe miasa tsy misy fiatraikany amin'ny tontolo iainana.

    • Manamafy ny fifampiresahana  ary manome lanja ny fahasamihafan'ny fomba amam-panao amin'ny alalan'ny fampiharana ny drafitra fampandraisana andraikitra ny mpandray anjara rehetra miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina manodidina.

       

    • Ny ondrom-piarahamonina manodidina no ataonay ho mpisitraka lehibe amin'ny  fampandrosoana ny asa eo amin'ny seranam-piaramanidina amin'ny alàlan'ny fidirana miasa, ny fampidirana azy amin'ny rojom-pamatsiana.

       

    • Manao fanomezana izahay ho fanohanana hetsika ataon'ny vondrom-piarahamonina manodidina eo an-toerana, izay  mifantoka amin'ny fanabeazana, fampandrosoana ara-tsosialy ary ny tontolo iainana. 

    Impact territorial positif - Ravinala Airports
    Andry fahefatra - Fiantraikany tsara eo amin'ny fiarahamonina

    Miezaka izahay mba ho ny vondrom-piarahamonina manodidina ny seranam-piaramanidin'Antananarivo sy Nosy Be no mahazo tombony voalohany amin’ny fisianay 

TOLO-BIDY

Fantaro ireo tolo-bidy ataonay

Jereo avokoa ireo tolo-bidy ataonay mba hiraisan-dàlana ho amin'ny fandrosoana.

Avis d'Appel d'Offre International N°011/2023-DAO/NCS/PRODIGY

Daty farany11/01/2023

Gestion des commandes

Les fournisseurs de RAVINALA AIRPORTS reçoivent quotidiennement de la part des approvisionneurs de RAVINALA AIRPORTS, des commandes et des demandes d'offres en ligne. Elles sont relatives aux contrats négociés en amant par la direction des achats.

Alaina

Avis d'Appel d'Offre International N°011/2023-DAO/NCS/PRODIGY

Daty farany13/02/2024

Gestion des commandes

Les fournisseurs de RAVINALA AIRPORTS reçoivent quotidiennement de la part des approvisionneurs de RAVINALA AIRPORTS, des commandes et des demandes d'offres en ligne. Elles sont relatives aux contrats négociés en amant par la direction des achats.

Alaina

Avis d'Appel d'Offre International N°011/2023-DAO/NCS/PRODIGY

Daty farany22/02/2024

Gestion des commandes

Les fournisseurs de RAVINALA AIRPORTS reçoivent quotidiennement de la part des approvisionneurs de RAVINALA AIRPORTS, des commandes et des demandes d'offres en ligne. Elles sont relatives aux contrats négociés en amant par la direction des achats.

Alaina

Torolàlana

Mifandraisa aminay

Mpandeha ve ianao, olon-tsotra, matihanina na olon-kafa  ka te hahazo fanazavana fanampiny, hanome soso-kevitra na mety hametraka fitarainana?

 

Mifandraisa aminay, vonona hanome  ny valiny ilainao sy hanampy anao   ny ekipanay. 

Contact - Ravinala Airports